You are here

LOZA EFATRA MIKASIKA NY FIKAMBANAN’NY VAVOLOMBELON'i JEHOVAH

Printer-friendly version

LOZA EFATRA MIKASIKA NY FIKAMBANAN’NY VAVOLOMBELON'i JEHOVAH

Misora-tena ho hany tena vondrona kristiana marina misy eto amin’izao tontolo izao ny fikambanan’ny VAVOLOMBELON’I JEHOVAH (fantatra ihany koa amin’ny hoe Mpianatry ny Baiboly). Manambara koa izy fa ny fiangonana hafa rehetra ankoatra azy, na Katolika na Prostestanta, dia samy mampianatra zavatra diso avokoa, ary haringan’Andriamanitra ireo rehetra tsy Vavolombelon’i Jehovah. Ireo zava-misy hita anefa dia mampiseho fa antokom-pivavahana manao fampianaran-diso ary mamitaka ity fikambanana ity. Indreto misy antony efatra tokony handosirana azy.

1. Mandà ireo fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah.

MANDÀ NY MAHA-ANDRIAMANITRA AN’I JESOSY KRISTY NY FIKAMBANAN’NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH. Mampianatra kosa izy etsy andanin’izany fa anjely noforonina i Jesosy Kristy.

Ny Baiboly anefa dia mampianatra mazava tsara ny maha-Andriamanitra an’i Kristy Zanaka. Izao, ohatra, no voalaza ao amin’ny Hebreo 1:8: "Fa ny Zanaka kosa dia nilazany hoe: Ny seza fiandriananao Andriamanitra o, dia mandrakizay doria …" Maro ny andininy hafa izay mampianatra io ihany koa, tahaka ny Jaona 1:1, 14; 20:26-28; Asa 20:28; Romana 9:5: Hebreo 1:3, 8-9; 2 Petera 1:1.

MANDÀ NY FITSANGANANA ARA-BATAN’I KRISTY TAMIN’NY MATY NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH.
Mampianatra kosa izy etsy andanin’izany fa levona nanjary etona ny tenan’i Jesosy. Izao no nampianarin’i Charles Taze Russel, ilay nanorina ny fikambanana: "Maty ilay Lehilahy atao hoe Jesosy, ary maty mandrakizay doria." ("The man Jesus is dead, forever dead." — Studies in the Scriptures, Vol 5, 1899, p. 454).

Ny Baiboly anefa dia mampianatra mazava tsara fa natsangana tamin’ny maty ho amin’ny fiainana indray ny tenan’i Jesosy. Izao, ohatra, no voalaza ao amin’ny Lioka 24:39: "Izahao ny tanako sy ny tongotro, fa Izaho no Izy; tsapao Aho, ka jereo; fa ny matoatoa tsy mba manana nofo sy taolana, tahaka izao ahitanareo Ahy izao." Jereo koa ny Jaona 2:19-21; Jaona 20:26-28; 1 Korintiana 15:6,14.

MANDÀ NY MAHA-ANDRIAMANITRA NY FANAHY MASINA NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH. Mampianatra kosa izy fa ny Fanahy Masina dia hery iray izay tsy manondro olona iray manokana, fa toy ny herinaratra.

Ny Baiboly anefa dia mampianatra mazava tsara fa ny Fanahy Masina dia Andriamanitra: Asa 5:3,4 "Ary hoy Petera: Ry Ananiasy, nahoana Satana no nameno ny fonao handainga amin’ny Fanahy Masina … Tsy nandainga tamin’olona ianao, fa tamin’Andriamanitra." Jereo koa ny Jaona 14:16-17; 16:13-15; Romana 8:26-27; 2 Korintiana 3:6,17-18; Efesiana 4:30.

MANDÀ NY MAHA-FANOMEZAN’ANDRIAMANITRA MAIMAIMPOANA NY FAMONJENA, IZAY TSY AZO AVY AMIN’NY ASA NA FAHAMENDREHANA, NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH. Mampianatra kosa izy etsy andanin’izany fa tsy maintsy miditra ao amin’ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah ary miasa ho azy ny olona iray raha tsy te hiharan’ny fitsaran’Andriamanitra.

Ny Baiboly anefa dia mampianatra mazava tsara fa tsy mety ho azo avy amin’ny asa ny famonjena, fa fanomezan’Andriamanitra irery ihany. Efesiana 2:8-9 "Fa fahasoavana no namonjena anareo amin’ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra, tsy avy amin’ny asa, fandrao hisy hirehareha." Jereo koa ny Romana 4:1-4; Galatiana 2:16; Titosy 3:5.

MANDÀ NY FAMAIZANA TSY MANAM-PAHATAPERANA HIHATRA AMIN’NY RATSY FANAHY NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH. Mampianatra kosa izy etsy andanin’izany fa haringana ny ratsy fanahy ka ho foana ny fisiany.

Ny Baiboly anefa dia mampianatra mazava tsara ny amin’ny famaizana tsy hanam-pahataperana izay hahazo ny ratsy fanahy. Matio 25:41, 46: "Ary dia hilaza indray amin’izay eo amin’ny ankaviany Izy hoe: Mialà Amiko ianareo izay voaozona ho any amin’ny afo maharitra mandrakizay, izay voavoatra ho an’ny devoly sy ny anjeliny .… Ary ireo dia hiala ho any amin’ny fampijaliana mandrakizay; fa ny marina ho any amin’ny fiainana mandrakizay." Jereo koa: Matio 18:8; 2 Tesaloniana 1:8-9; Apokalypsy 14:10, 11; 20:10, 15.

MANDÀ NY FANANAN’NY OLOMBELONA FANAHY IZAY HITOHY HIAINA AORIAN’NY FAHAFATESANA NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH. Mampianatra kosa izy etsy andanin’izany fa tapitra hatreo ny fiainan’ny olona rehefa maty izy.

Ny Baiboly anefa dia mampianatra mazava tsara fa mitohy ny fahaveloman’ny fanahin’ny olona, izay tsapany tsara, aorian’ny fahafatesana. 2 Korintiana 5:8 "eny, matoky isika, ka aleontsika ny tsy hitoetra ao amin’ny tena, fa ny hitoetra ao amin’ny Tompo." Jereo koa: Lioka 16:19-31; Filipiana 1:23-24; Apokalypsy 6:9-11.

MAMPIANATRA NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH FA NATAO HO AN’NY OLOM-BOAFIDY VITSY IHANY NY FIAINANA MANDRAKIZAY EO ANATREHAN’ANDRIAMANITRA. Araka ny fanambarany dia sokajin’olona manokana ahitana Vavolombelon’i Jehovah miisa 144.000 ihany no afaka hateraka indray sy hiaina mandrakizay miaraka amin’Andriamanitra any an-danitra; ireo Vavolombelon’i Jehovah sisa kosa hijanona eto ambonin’ny tany.

Ny Baiboly anefa dia mampianatra mazava tsara fa hanana fiainana mandrakizay eo anatrehan’Andriamanitra daholo ireo rehetra mametraka ny finoany amin’i Jesosy Kristy. Olona betsaka tsy tambo isaina ireo, araka ny filazan’ny Baiboly. Apokalypsy 7:9,15 "Rehefa afaka izany, indreo , nisy olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana sy teo anatrehan’ny Zanak’ondry … mitoetra eo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra izy ka manompo Azy andro aman’alina eo amin’ny tempoliny." Jereo koa: Jaona 3:15; 5:24; 12:26: Efesiana 2:19: Filipiana 3:20; Kolosiana 3:1; Hebreo 3:1; 12:22; 2 Petera 1:10,11.

MANDÀ NY TOETRAN’ANDRIAMANITRA TELO-IZAY-IRAY (TRINITE) NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH ARY MAMPIANATRA KOSA FA I SATANA NO NAMORONA NY FAMPIANARANA MIKASIKA NY TRINITE. Laviny daholo ireo Soratra Masina rehetra izay milaza ny maha-Andriamanitra an’i Jesosy Kristy sy ny maha-Andriamanitra ny Fanahy Masina.

Ny Baiboly anefa dia mampianatra mazava tsara fa ny Zanaka, sy ny Fanahy Masina, ary ny Ray dia samy Andriamanitra avokoa. Io filazana io, miaraka amin’ireo andinin-tSoratra Masina izay mampianatra fa tsy misy Andriamanitra afa-tsy iray ihany (Isaia 43:10; 44:6,8), mbamin’ny Matio 28:19 izay iresahan’i Jesosy ny amin’ny anaran’ny Ray, sy ny Zanaka, ary ny Fanahy Masina ("singulier," izany hoe, manondro olona tokana ihany ny hoe "anarana" eto) dia mampiseho ny maha-Trinite an’Andriamanitra avokoa: Andriamanitra iray izay ahitana Persona telo.

Koa tsy mampidi-doza ve ny manaraka fikambanana izay mandà ireo fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly tahaka izany?

2. Novain’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Baiboly.

Efa nanamboatra dikan-tenin’ny Baiboly sandoka ho an’ny tenany ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah. "La Traduction du Nouveau Monde" no iantsoana io dikan-teny iray io. Misy andinin-tSoratra Masina maro niniana novaina ao anatiny. Ireny fanovana ireny dia natao hanaronana ny maha-fampianaran-diso sy tsy araka ny Baiboly ny fampianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah.
 

FAMPITAHANA NY BAIBOLY & "LA TRADUCTION
DU NOUVEAU MONDE" MIFONO FITAKA

(Nadika avy amin’ny teny Anglisy)
NY BAIBOLY MASINA "LA TRADUCTION DU NOUVEAU MONDE"
Jaona 1:1 "Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra."

Io dia fanambarana mazava tsara ny maha-Andriamanitra an’i Jesosy (ny Teny).
Jaona 1:1 "Tamin’ny voalohany dia teo ny Teny, ary ny Teny tao amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia andriamanitra iray."

Natao io fanovana io mba hanohanan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fandavany ny maha-Andriamanitra an’i Jesosy.
Kolosiana 1:16 "Fa tao Aminy no nahariana ny zavatra rehetra … Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany."

Io dia mampianatra fa Jesosy no Mpamorona ny zava-drehetra, ary tsy noforonina Izy.
Kolosiana 1:16 "satria tamin’ny alalany no nahariana ny zavatra (hafa) rehetra … Nohariana tamin’ny alalany ny zavatra (hafa) rehetra, ary ho Azy."

Nampiana ilay teny hoe "hafa," izay nanjary nandiso ny tena heviny, mba hanohanana ilay fampianaran-dison’ny Vavolombelon’i Jehovah milaza fa anjely noforonina iJesosy.
Hebreo 1:8 "Fa ny Zanaka kosa dia nilazany hoe: Ny seza fiandriananao Andriamanitra ô, dia mandrakizay doria."

Mariho ny fiantsoan ’Andriamanitra Ray an’i Jesosy Zanaka eto hoe "Andriamanitra."
Hebreo 1:8 "Fa ny firesahany ny amin’ny Zanaka kosa dia manao hoe: Andriamanitra no seza fiandriananao mandrakizay doria."

Nampifamadihan’ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny toeran’ny teny hany ka nanjary lasa diso ny heviny, mba hanafenana fa antsoina hoe Andriamanitra i Jesosy (Zanaka).


Moa tsy mampidi-doza ve ny manaraka fikambanana izay manova ny Soratra Masina toy izany?

3. Nanao faminaniana tsy tanteraka voarakitra ara-Tantara ny Vavolombelon’i Jehovah.

Milaza ho mitatitra ny hafatr’i Jehovah Andriamanitra ireo mpitarika ny Vavolombelon’i Jehovah kanefa maro ny faminaniana nataony no tsy tanteraka akory. Toy izany, ohatra, ny nilazan’izy ireo fa ho tonga tamin’ny taona 1975 ny Hara-magedona sy ny faran’izao tontolo izao. Mba hanaronana ny tsy fahombiazany dia lavin’ny ankamaroan’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao fotoana izao fa nanao io faminaniana io ry zareo, na dia azo porofoina mora foana amin’ireo boky aman-gazety navoakan’izy ireo ihany aza izany.1

Araka ny faminanian’ny Vavolombelon’i Jehovah ihany koa dia ho tonga tamin’ny taona 1914, 1915, 1918, 1925 ary 1942 ny faran’izao tontolo izao. Nolazainy fa hitsangana amin’ny maty i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, ka hiverina eto ambonin’ny tany tamin’ny taona 1925. Diso hatrany hatrany anefa izy ireo.2 Ambaran’ny Baiboly fa mariky ny mpaminany sandoka ny faminaniana tsy efa, na tsy tanteraka (Deotoronomia 18:21-22).

Moa tsy mampidi-doza ve ny manaraka fikambanana izay nanao faminaniana tsy tanteraka toy izany?

4. Manampatra ny fahefana ananany ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Na dia eo aza izany tsy fahatanterahan’ny faminaniana maro izany dia mbola mampianatra ihany ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah fa izy irery no hany fivavahana marina, ary ny mpikambana ao aminy ihany no tena kristiana marina. Manambara izy fa tsy misy afaka mampianatra ny fahamarinana ara-panahy afa-tsy ry zareo irery. Mampianatra ihany koa izy fa tsy misy famonjena afa-tsy amin’ny alalan’ny fidirana ho mpikambana ao aminy, ary ny olona sisa rehetra dia haringana avokoa amin’ny Hara-magedona.

Mitaky ny mpikambana rehetra ao aminy ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah hankatò, tsy misy fametrahana fanontaniana, izay rehetra didy sy fandikana ny hevitry ny Baiboly atolotry ny Fikambanana.

Ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ohatra, dia mandrara ny fanomezan-dra. Aleo ny mpikambana isam-batan’olona no maty, na mamela ny zanany ho faty, toy izay handika io didy io, na dia tsy hita na aiza na aiza ao amin’ny Soratra Masina aza ny fampianarana milaza fa diso ny fanomezan-dra. Lazaina amin’izay Vavolombelon’i Jehovah tsy mankatò io fitsipika io fa haringana izy amin’ny Aramagedona, na ny fotoanan’ny fitsarana farany.

Araka izany dia ny tahotra sy ny fampitahorana no ampiasain’ny mpitarika mba hihazonana ireo mpikambana amin’ny fankatoavana ny Fikambanana. Nampiasan’ireo mpitarika ny Vavolombelon’i Jehovah ihany koa ny faminaniana ny amin’ny faran’izao tontolo izao mba hampiditra tahotra ao am-pon’ireo mpanaraka azy.

Moa tsy mampidi-doza ve ny manaraka fikambanana izay mampiasa ny fahefany amin’ny fomba diso tahaka izany?

 



Ireo zavatra efatra ireo dia maneho ny loza ara-panahy mifamatotra amin’ny fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mety hanontany tena angamba ianao hoe: "Fa inona àry ny vaovao mahafaly izay lazain’ny Baiboly?" Ireto zavatra efatra manaraka ireto dia mampahafantatra ny tena Filazantsara marin’i Jesosy Kristy, araka ny hita ao amin’ny Baiboly:

NY FOMBA HIHAVANANA AMIN’ANDRIAMANITRA


Azo fintinina amin’ireto foto-kevitra tsotra efatra ireto ny hafatry ny Baiboly:

1. Tafasaraka tamin’Ilay Andriamanitra velona sady marina isika noho ny fahotantsika.
"Fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra." Romana 3:23
"Fa fahafatesana no tambin’ny ota, ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika." Romana 6:23

2. Tsy afaka mamonjy tena isika.
"Tsy misy nofo hohamarinina amin’ny asan’ny lalàna eo anatrehany; fa ny lalàna no ahazoana ny fahalalana marina ny amin’ny ota." Romana 3:20
"Tsy avy tamin’ny asa amin’ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindrampo kosa no namonjeny antsika." Titosy 3:5

3. Jesosy Kristy no fanafody nomen’Andriamanitra ho an’ny aretin’ny fahotantsika.
"Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Lahitokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay." Jaona 3:16
"Fa Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin’Andriamanitra." 1 Petera 3:18a

4. Isika tsirairay no tsy maintsy mandray an’i Jesosy amin’ny finoana mba handraisana ny famelan-keloka sy ny fiainana mandrakizay.
"Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany." Jaona 1:12
"… raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao ianao, ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty dia hovonjena ianao." Romana 10:9
 



Raha nanohina ny fonao ireo fahamarinana avy amin’ny Tenin’Andriamanitra ireo dia afaka manome setriny avy hatrany ianao ka hangataka Azy hamela ny fahotanao sy hanome anao ny fiainam-baovao ao amin’i Kristy. Ity vavaka tsotra ity dia azonao ampiasaina ho tari-dalana amin’ny fanambaranao ny finoanao an’i Kristy ho famonjena anao.

VAVAKA

Ry Andriamanitra Tsitoha sy Mpamindra fo ô, miaiky aho fa nanota Taminao, na tamin’ny asa, na tamin’ny teny, na tamin’ny eritreritra. Tsy nahatratra ny fahamarinanao aho, ary tsy afaka mamonjy tena. Misaotra Anao aho noho ny nanirahanao an’i Jesosy Kristy Zanakao, mba handatsaka ny rany ho ahy. Mangataka Anao aho hamela ny fahotako rehetra, ary mametraka ny fitokiako amin’i Jesosy Kristy, Izay efa maty teo amin’ny toerako, ary nitsangana indray tamin’ny maty. Amena.
 



FANAMARIHANA

1. The Watchtower, August 15, 1968, page 499; Kingdom Ministry, May 1974, p. 3.

2. The Time Is At Hand, 1906 edition, pp. 99, 101; The Time Is At Hand, 1915 edition, pp. 99, 101; Pastor Russell's Sermons, 1917 edition, p. 676; The Finished Mystery, 1918, pp. 404, 485; The Watchtower, September 1, 1922, p. 262; The Watchtower, September 15, 1941, p. 288; Millions Now Living Will Never Die, 1920, pp. 88-90.